Inona marina ny tena fanalahidin’ny fahombiazana ?

Salama ianao,

Ity blog ity dia miresaka momban’ny fanabeazana ny mahaolona na Développement Personnel sy fampivoarana eo amin’ny sehatry ny asa ( Développement Professionnel).

Maro ny fiofanana sy fampianarana natrehako sy narahiko na malagasy na vahiny (formation, ateliers, conférences, séminaires) fa tsy mbola nisy tena niteny marina hoe inona marina ny tena fanalahidin’ny fahombiazana. Nianarako ny PNL, Analyse Transactionnelle, « Comment vaincre la timidité », sns. Matetika dia na tsy ampy ny information azonao tamin’ireny, na be loatra ary ohatrin’ny hoe asa tena lavitr’ezaka be ka manakivy ny be sy ny maro. Malaza tsinona hatramin’izay eto amintsika hoe mila manova toe-tsaina ho tsara isika kanefa vitsy dia vitsy no mba nampianatra ny fomba ahatongavana @izany. Ary ny mampalahelo dia ireo izay efa nahalala dia tsy nizara na koa mety tsy hainy ny nizara azy. Izay no nahatonga ahy nikarakara seminera tamin’ny 15 jona 2019 lasa teo mba ahafan’ny be sy ny maro mianatra an’izany fomba tsotra kely izany. Marihiko fa tena tsotra dia tsotra izy io kanefa fikarohana nandritry ny 19 taona vao hita. Niara-niasa t@ olona maro aho toy ny psychologues, sociologues, physiciens, mécaniciens, informaticiens, programmeurs, musiciens, sns… Noho izany, tsy voatery manana diploama ianao vao mahatakatra ny fanofanana omeko. Na ankizy kely ary no nampanaovina azy io dia tafita sy miova ho tsara foana. Izaho manokana nefa dia nahita fomba tsora ahatonga anao hahatoky tena sy hahay hifehy ny tenanao (confiance en soi et maîtrise de soi) izay tena fototry ny fanabeazana ny mahaolona na ny Développement Personnel, haingana kokoa raha oharina amin’ny fiofanana hafa.

Mirary soa ho anao,

Iavotana

Ce contenu a été publié dans Non classé, avec comme mot(s)-clé(s) . Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

1 réponse à Inona marina ny tena fanalahidin’ny fahombiazana ?

  1. Iavotana dit :

    Hevitriavotana (idée de développement

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *